Fiovaovan’ny toetrandro, inona no zava-misy ary ahoana no fiantraikany eto Madagasikara
Lahatsoratra nosoratan'i Dr. Rondrotiana Barimalala
Ny 09 Aogositra 2021 lasa teo dia nivoaka ny ampahany voalohany amin’ny tatitra laharana fahaenina izay novokarin’ny GIEC, na ny Groupe d’experts Intergouvernemental sur l’Évolution du Climat. Ny fivoaran’ny fiovaovan’ny toetrandro (changement climatique), ny antony mahatonga izany fiovana izany ary ny fiantraikany amin’ny faritra maro eran-tany no hifotoran’ilay tatitra. Raha ampitahaina amin’ireo tatitra teo aloha dia miendrika ho fanairana maika (alerte rouge) izao tontolo izao ity tatitra farany ity satria efa halohalika ny ranom-bary.
Tsara marihina ety ampiandohana fa ny toetrandro na “climat” dia endrika hisehoan’ny toetry ny andro na ny “conditions météorologiques” mandritra ny fotoana maharitra. Tsy tokony afangaro izy roa ireo. Matetika ny salanisan’ny toetry ny andro (toy ny hafanana na ranon’orana) mandritra ny 30 taona na mihoatra no hamaritana ny toetrandro eo amin’ny toerana iray. Ny fiovaovan’ny toetrandro lazaina eto araka izany dia ny fiovana eo amin’io salan’isa io mandritra ny fotoana maharitra (>30 taona).
Efa tsy zovìna amin’ny rehetra fa miakatra ny mari-panan’ny Tany. Io tatitra faran’ny GIEC io dia milaza mazava sy hentitra fa haingana sy mahery ny fihanaky ny hafanana eto ambonin’ny tany (Sary 1). Tsy mbola nisy tranga toa izao tao anatin’ny arivo taona maro lasa. Vokany, miha-mitombo sy mihamafy ireo toetrandro mahery vaika, toy ny hafanana na hatsiaka mihoa-papana, ny rotsak’orana mivatravatra, ny hain-tany be, ny rivo-doza mahery, ary ny fiakaran’ny ahavon’ny ranomasina.
Sary 1: Fivoaran’ny hafanan’ny tany raha ampitahaina ny tamin’ny taona 1850. Tsipika mainty: angon-draikitra (observation), tsipika volotany: avy amin’ny kajy siantifika izay misy ny vokatry ny asan’olomeblona sy ny tranga natoraly, tsipika manga: tranga natoraly (masoandro sy volkano )
(Sary indrana: GIEC – AR6 SPM)
Ny Sary 1 eo ambony dia mampiseho ny taha-piakaran’ny hafanan’ny tany raha ampitahaina ny tamin’ny taona 1850. Io taona io dia manamarika ny taona niatombohan’ny firoboroboana ara-indostrialy. Ny tsipika mainty hitantsika eo amin’ny sary dia maneho fa nahatratra 1.1 °C ambonin’ ny hafanana nandritra ny taona 1850-1900 ny hafanana teo anelanelan’ny taona 2010–2019. Manamafy izany ny kajy (na simulation) nataon’ireo mpikaroka siantifika misehatra amin’ny fiovaovan’ny toetrandro (faritra volon-tany sy manga tanora eo amin’ny Sary 1), no sady koa manaporofo fa vokatry ny asan’ny olombelona no antony lehibe mahatonga io fiakaran’ny hafanana mihoampapana io (tsipika volon-tany amin’ny sary). Voatsonga manokana amin’izany ny fitomboan’ny entona mangeja hafanana (gaz à effet de serre), indrindra ny entona karbonika (CO2) izay vokarin’ny olombelona ka lasa amin’ny habakabaka. Ny fiovana ateraky ny tranga natoraly toy ny herin’ny masoandro (tsipika manga) kosa anefa etsy andaniny dia tsy mampiakatra io maripana tafahoatra io.
..... vokatry ny asan’ny olombelona no antony lehibe mahatonga io fiakaran’ny hafanana mihoampapana io.... |
Ny Sary faha-2 manaraka kosa dia maneho ny vinan’ny lanjan’ny CO2 alefan’ny olombelona amin’ny habakabaka sy ny fiakaran’ny maripanan’ny tany mifanaraka amin’izany CO2 izany. Ny tsipika manga (SP1-1.9 sy SSP1-2.6) dia maneho fa raha midina ambany dia ambany haingana ny lanjan’ny CO2 lasa amin’ny habakabaka dia tsy hihoatra ny 2°C ny taham-pitomboan’ny hafanan’ny Tany hatramin’ny 2100 raha ampitahaina ny tamin’ny taona 1850. Raha sanatria kosa ka kely na tsy misy ny ezaka (tsipika mavo sy mena, SSP2-4.5, SSP3-7.0, ary SP5-8.5) dia hihoatra ambonin’ny 2 °C izany hafanana izany.
Nandritra ny fivoriam-be COP21 (Conference of the Parties) ny taona 2015 dia nisy ny fifanarahana izay nosoniavin’ny firenena maro tao Parisy, isan’izany i Madagasikara, ny amin’ny fiaraha-mientana hametra ny fiakaran’ny maripanan’ny Tany amin’ity taon-jato faha-21 diavintsika ity ho 1.5°C na 2°C (raha ambony indrindra) ambonin’ny maripana tamin’ny taona 1850. Araka ny hita eo amin’ny Sary faha-2 anefa, raha tsy miova ny tahan’ny entona vokarin’ny olombelona dia vinavinaina ho tratra eo anelanelan’ny taona 2020-2040 ny fiakaran’ny maripanan’ny tany ho 1.5°C. Sarotra araka izany ny hanatratra io tanjona napetraka io raha toa ka tsy misy ny fiaraha-mientan’ny firenena rehetra eran-tany sy ny fandraisana andraikitra hentitra sy matotra ary haingana |
Inona no fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetrandro sy ny fiakaran’ny mari-panan’ny tany ho 1.5 °C eto Madagasikara?
Ny fampandrosoana fototra rehetra eto Madagasikara dia miankina tanteraka amin’ny toetrandro. Ny fampandrosoana fototra rehetra eto Madagasikara dia miankina tanteraka amin’ny toetrandro. Ohatra amin’izany ny fambolena sy ny fiompiana, izay antoky ny fahaleovan-tena ara-tsakafon’ny firenena ary miankina betsaka amin’ny mari-pana, ny fisian’ny orana izay mamatsy ny rano ho ampiasaina ary koa ny hamandoan’ny tany. Eo koa ny resaka herin’aratra, izay mihoatra ny 80% amin’ny famokarana izany no mbola miankina tanteraka amin’ny fisian’ny rano eto amintsika. Ankoatra izay ny fahafahana mampiasa sy misotro rano madio izay hita fa voafetra ny fahazoan’ny olona misitraka izany. Ohatra vitsy ihany ireo fa raha atao bango tokana dia tsy azo hiodivirana intsony ny vokatry ny fiovaovan’ny toetrandro eo amin’ny fampandrosoana ny fiainana andavan’andron’ny Malagasy.
|
Raha jerena ireo tahirin-kevitra (données) nisy nanomboka ny taona 1950 dia tsikaritra fa niakatra tsy nijanona ny mari-pana teto Madagasikara amin’ny ankapobeny. Ny rotsak’orana azo isan-taona ihany koa dia voamarika fa nihena tao anatin’izay fotoana izay. Araka ity tatitry ny GIEC ity dia hitombo hatrany ny fahamainana na ny tsy fahampian’ny rotsak’orana raha mitohy ny fiakaran’ny hafanan’ny tany. Hihena ihany koa ny hamandoan’ny tany izay ilaina amin’ny fambolena sy ny famokarana (izay antsoina hoe sécheresse agricole) ary hihena ny hamandoana hiveloman’ny zava-boahary (izay antsoina hoe sécheresse écologique).
|
Araka ity tatitry ny GIEC ity dia hitombo hatrany ny fahamainana na ny tsy fahampian’ny rotsak’orana raha mitohy ny fiakaran’ny hafanan’ny tany. Hihena ihany koa ny hamandoan’ny tany izay ilaina amin’ny fambolena sy ny famokarana (izay antsoina hoe sécheresse agricole) ary hihena ny hamandoana hiveloman’ny zava-boahary (izay antsoina hoe sécheresse écologique).
Raha ny ranomasina indray no jerena, dia niha-nafana haingana mihoatra noho ny toeran-kafa rehetra ny ranomasim-be Indiana. Hitohy izany fiakaran’ny hafanan’ny ranomasina izany raha toa ka tsy miova famindra ny olombelona ary hisy fiantraikany mivantana amin’ny toerana iva rehetra amin’ny moron-tsiraka. Izany fiakaran’ny hafanan’ny ranomasina izany koa dia mampitombo ny singa asidra (acidification) any anaty ranomasina izay tena isan’ny manimba ireo zava-manan’aina rehetra miaina ao. Ankoatra izay dia hihahery ny rivotra sy ny orana entin’ireo rivo-doza miforona avy amin’ny ranomasim-be Indiana. Raha toa kosa ka misy ny ezaka hampidinana haingana ny tahan’ny CO2 vokarin’ny olombelona dia hihalefaka kokoa ireo vokatra ireo.
Etsy an-danin’izay anefa, raha toa ka mihoatra ilay fetra 1.5 °C ny fiakaran’ny hafanan’ny Tany, dia hitombo avo roa heny ny fotoana hitrangan’ny hafananana be mihoa-pampana eran’i Madagasikara, indrindra ny ilany andrefana sy ny atsimo andrefana. Hihena be ihany koa ny rotsak’orana mandritra ny volana Oktobra hatramin’ny Novambra izay tena fotoam-pambolen’ny Malagasy, ary hiha-betsaka ny fisian’ny oram-be mivatravatra amin’ny fotoana fohy izay matetika miteraka tondra-drano tampoka.
Araka ny voalaza ery ambony dia 1.1 °C ambonin’ny hafanana tamin’ny 1850-1900 no misy antsika izao ary mafy kokoa noho ny zava-misy amin’izao no zavatra hitranga isaky ny ampaha-piakaran’ny hafanana. Noho izany, dia tsy misy afa-miala isika rehetra fa ezaka miainga amin’ny tsirairay sy ny ambaratongam-pitondrana samihafa no hampihena na tsia ny hafanan’ny tany.
Etsy an-danin’izay anefa, raha toa ka mihoatra ilay fetra 1.5 °C ny fiakaran’ny hafanan’ny Tany, dia hitombo avo roa heny ny fotoana hitrangan’ny hafananana be mihoa-pampana eran’i Madagasikara, indrindra ny ilany andrefana sy ny atsimo andrefana. Hihena be ihany koa ny rotsak’orana mandritra ny volana Oktobra hatramin’ny Novambra izay tena fotoam-pambolen’ny Malagasy, ary hiha-betsaka ny fisian’ny oram-be mivatravatra amin’ny fotoana fohy izay matetika miteraka tondra-drano tampoka.
Araka ny voalaza ery ambony dia 1.1 °C ambonin’ny hafanana tamin’ny 1850-1900 no misy antsika izao ary mafy kokoa noho ny zava-misy amin’izao no zavatra hitranga isaky ny ampaha-piakaran’ny hafanana. Noho izany, dia tsy misy afa-miala isika rehetra fa ezaka miainga amin’ny tsirairay sy ny ambaratongam-pitondrana samihafa no hampihena na tsia ny hafanan’ny tany.
“Atsipy ny tady eny an-tandroky ny omby, atsipy ny teny any am-pon’ny mahalala”