Torohevitra ho an'ny mpianatra manomana Doctorat
Inona ny zavatra andrasana amin’ny mpianatra miofana hanao « Doctorat
(na PhD) » amin’ny sehatra siantifika izay mila manao « terrain » ?

Tafatafa niarahana tamin’i Razanamahandry Vao Fenotiana, na i Feno, mpianatra manomana Doctorat ao amin’ny Department of Earth and Environmental Sciences, KU Leuven, Belgika.
“Une étude, plus qu’une profession”
Afaka lazainao fohifohy aminay ve ny momba anao?
Izaho dia mpianatra Malagasy manomana Doctorat (na “PhD in Bioscience Engineering”) ao amin’ny Katholieke Universiteit Leuven (na KU Leuven) eto Belgika nanomboka ny taona 2018. Manaraka fiofanana momba ny Rano sy Tany (Soil and Water) ary ny resaka tontolo iainana any amin’ny toerana famokarana any ambanivohitra aho ary ato amin’ny “Departement of Earth and Environmental Sciences” no mandranto fahalalàna momba izany. Nialoha ny nanaovako PhD, dia nahazo ny mari-pahaizana “Master en Biofonctionnement du Sol et Environnement” tao amin’ny Ecole Supérieure des Sciences Agronomiques (ESSA), Oniversiten’ Antananarivo aho ny taona 2016. Io fianarana norantoviko tao amin’ny ESSA io dia nanokatra làlana nahazoako vatsim-pianaraha hianatra tany Hongrie, Eoropa, nandritry ny taom-pianarana 2017 ka nahazo ny marim-pahaizana “Master Sciences in Agricultural Engineering and Environmental Sciences”.
Maharitra hafiriana ny faharetan’ny fianarana ho PhD?
Maharitra efatra taona ny fianarana hahazoana ny mari-pahaizana Doctorat. Araka ny nolazaiko teo ambony, ny taona 2018 aho no nanomboka, ka efa nahavita soa aman-tsara ny roa taona sy tapany voalohany aho hatreto.
Samihafa ve ny manao Masters sy ny manao PhD?
Tena samy hafa tanteraka ny Master sy ny PhD raha ny sehatry ny fikarohana no resahina. Raha hazavaina tsotra ny maha samy hafa azy roa dia hoe mila manana fahaleovan-tena kokoa eo amin’ny fomba fanaovan-javatra rehetra rehefa manao PhD. Tiako eto ny manamarika fa mampisokatra ny fomba fiasa ho amin’ny sehatra marolafy ny fanohizana fianarana tahaka izao ataoko izao ka mahafaly ahy ny mizara ireo ohatra vitsivitsy nahitako tombony momba izany.

Inona avy no ataonao amin’izany PhD en Bioscience Engineering izany?
Raha fehezina tsotsotra ny lalam-piofanana arahiko dia mampifandray ny asa eny an-tsaha (“travaux de terrain”) sy ny asa anaty laboratoire (“travaux de laboratoire”) ka mamantatra sy miezaka manazava ny fiovàna teo amin’ny toerana iray. Ankoatra ireo anefa dia betsaka ny dingana narahiko, ary namolavola ahy tokoa ireo ho tonga olona mahaleotena. Ny travaux de terrain nataoko rehetra momba ny PhD dia any amin’ny faritra manodidina ny farihin’ Alaotra (Faritra Alaotra Mangoro, Madagasikara) ary ny fianarana sy ny asa laboratoire dia aty amin’ny KU Leuven (Belgika) no atao. |
Hatramin’izay nirotsahanao hanohy lavitra ny fianarana izay, inona avy ireo zavatra tsapanao hoe nanampy anao, inona ireo “challenges”, ary inona ireo soso-kevitra ho an’ireo zandry maniry ny hanohy fianarana “Doctorat”?
Misy hai-tao hitako mila ivononana amin’ny fanohizana ny fianarako manokana, izay ho tanisaiko eto.
(1) Mitaky fahaleovan-tena sy fahaizana miara-miasa aman’olona ny fiofanana izay arahiko. Tafiditra ao anatin’izany ny fiara-hiasa sy ny fampianarana ary fanofanana ireo olona mifandrimbona hanatanteraka ny asa fikarohana rehetra, na taty KU Leuven io na tany Madagasikara.
Nahitako tombotsoa manokana izany satria nanomana sy nanefy ahy hahay hitarika olona samihafa, izay tsy mitovy taham-pahaizana, fomba amam-panao, na ihany koa fiaviana (misy ny vahiny ary misy ny Malagasy). Anjaranao mpampiofana no mandrindra sy misafidy ny olona hiaraka hiasa aminao sy mijery ny fitaovana rehetra ilaina rehefa “sur terrain” mba hahatratrarana izay tanjona efa voafaritra mazava. Io zavatra iray io no anisan’ny ohatra sahaza indrindra hitako hanehoana ny fananana fahaleovantena (“indépendence”). Misy ny atao hoe supérvision izay ataon’ny supérviseur manokana, fa ny olona hiara-hiasa aminao any amin’ny “terrain” kosa dia anjaranao ny mampianatra ireo teknika madinidinika rehetra hanatanterahany an-tsakany sy andavany ny asa izay ampanaovina azy. Tena nampitombo ny faribolan’ny fifandraisana sy ny fahafantarana olona ary ny fahaizana mitantana olona ihany koa ireo zavatra nodiaviko ireo.

(2) Araka ny efa voalazako teo ambony, dia mampitombo ny resaka ny farimbolam-pifandraisana na “Networking” ny sehatry ny fikarohana.
Amin’ny maha mpikaroka dia mila mivonona sy miezaka hahay hifehy ny resaka fifandraisana mba hampiroboroboana hatrany io resaka “networking” io. Tsy maintsy miara miasa amin’ireo “organizations” maro ianao ohatra hoe: ny fanjakana , ONG na Vondron’olona ifotony (VOI) misehatra eo amin’ny toerana izay hanaovanao fikarohana. Ny fampitomboana an’io “networking” io no anisan’ny tena nahafahako nijery ny zavatra afaka atao any aorina hanohizana ny fikarohana ary indrindra koa ahafahako manovo fahalalàna betsaka hatramin’izao (inspiration et initiative) amin’ny fikarohana izay ataoko.
|
(3) Fahaizana mandrindra ny fotoana (“Time management”)
Ity resaka ity indray dia mahasahana ny fiainana amin’ny lafiny rehetra. Izany hoe tsy amin’ny drafi-pikarohanao irery ihany fa tafiditra ao koa ireo fotoana atokanao ho an’ny fianakaviana, ny fiarahana amin’ny namana, ary ny fotoana hoanao manokana ikarakarana vatana/saina/fanahy (fanatanjahatena, fialamboly, sns…). Samy manana ny fombany sy ny safidiny ny rehetra fa amiko manokana dia hitako mahomby kokoa ny fandaminana dieny mialoha ny zavatra atao rehetra sy ny fiezahana miala amin’ny fangatahan’andro. Anisan’ny fakam-panahy miteraka fahavoazana be io farany io ary tena mila ialàna. Ilaina araka izany ny fahaizana mandanjalanja ny lahara-pahamehana (priorité) amin’ny fotoana rehetra.
(4) Fampitomboana ny fahalalana ankapobeny (“Soft skills”/“Transferable skills”).
Nandritra ny fanaovako “terrain” dia tsapako hoe raha 100% ny hery ananako dia 60% -n’io dia lany amin’ny fikarohana manokana, ny 40% kosa anovozana ireo “Soft skills” izay talenta sy fahalalàna azo ampiasaina ivelan’ny sehatry ny fikarohana. Ohatra vitsivitsy amin’izany “ soft skills” izany ny fahaizana mifanerasera sy mampita hafatra amin’ny olon-tsotra, ny fahaiza-mitarika sy mampianatra ny ekipa, ny fahaiza-mandamina ny asa atao, ny fahaizana mikirakira karazana “logiciels” izay afaka ampiasaina amin’ny sehatra hafa ankoatra ny fikarohana sy akademika (ohatra ny logiciels momba ny statistique sy ny “image editing”, sns). Anisan’ny mahatsara sy mampatsiro ny fanaovana fikarohana ny fanitarana io “soft skills” io. Mampitombo ny faharetana, ny fikirizina, ny fahalalàna ary indrindra koa manatsara ny fomba fiasa. Fanampin’ireo, ny famakiana boky sy lahatsoratra (articles) isan-karazany mba hampivelatra ny fahalalàna ankapobeny. Mety tsy dia vaovao intsony angamba io voalazako io raha ho an’ny mpianatra. Nefa ho an’ny mpianatra miofana hanao “Doctorat” dia tena mila mamaky boky betsaka tokoa, eny fa na dia tsy misy ifandraisany mivantana amin’ny fikarohana atao aza (ohatra momba ny “management”, “sociology”, “médecine”na fahalalàna ankapobeny hafa ankoatra ny fianarana imasoana). Tsy voatery boky fa izay fomba rehetra anovozanao izany fahalalàna amin’ny ankapobeny izany. Misy fotoana tena hitako manampy be ireo amin’ny resaka fahazotoana sy fananana aingam-panahy amin’ny fikarohana ataonao.

(5) Fahaizana mamaha olana amin’ny ankapobeny (“Problem solving skills”)
Ity no anisan’ny mila ampitomboina rehefa mirotsaka tanteraka amin’ny seha-pikarohana siantifika. Matetika ny fikarohana amin’ny maha fikarohana azy izay dia betsaka ireo tsy mifanojo amin’ny zavatra andrasanao (expectation), misy fiovàna foana matetika (imprévu). Betsaka ireo olana sedraina eny ampaovana terrain na ara teknika na ara-taratasy na ara-pifandraisana, indrindra ny olana ara-pitaovana. Fikarohana “tips”(=fikafika) hatramin’ny kely ka hatramin’ny lehibe indrindra dia anisan’ny mety hanavotra anao betsaka. Ny fanomanana ireo indrindra no ahitana ny fomba hampitomboana ny fahaiza-manao ananana (“expérience”). Ny fahaizanao mikaroka ny vahaolana mahomby mifototra amin’ilay olana dia tena zava-dehibe. Mahafinaritra sy mahafapo rehefa tafavoaka manoloana ireo sedra rehetra nolalovana. |
(6) Fahaizana mikarakara ny taratsy “administratifs” rehetra sy ny fanaraham-baovao eo amin’ny firenena.
Ity resaka ity dia tsy hoe ny fikarakaranao ny resaka “dossier d’admission” anao any am-pianarana fotsiny ; fa eo ihany koa ny fikarakarana ny atotan-taratasy momba ny fahazoan-dalana hanao fikarohana sy hampiasa fitaovana eny anivon’ny toerana izay hanaovana ilay fikarohana. Eo amin’ny sehatry ny fikarohana dia mila miasa ao anatin’ny fangaraharana tanteraka mba hahatonga azy ho ara-dalàna eo amin’ny toerana izay iasanao. Tsapako fa adidin’ny mpianatra mpikaroka mihitsy ny miandraikitra ny fikarakarana ireo fahazoan-dalana rehetra mikasika ny fikarohana izay ataony ireo: mitety ireo ambaratongam-pahefana. Ho an’i Madagasikara manokana, ireo taratasy karakaraina ho fahazoan-dalana ireo dia manomboka eny anivon’ny Fokotany ka hatreny amin’ny Ministera. Noho izany, mila mahalala ireo lalàna rehetra mifehy sy mahakasika ny fangatahana fahazoan-dalana hikaroka izay miankina indrindra amin’ny lalàna apetraky ny fanjakana mikasika ny fikarohana. Ankoatr’izay dia mila maharaka ny vaovao na fiovana mahakasika ny lalàna mifehy ny sehatra izay sahaninao ihany koa ianao voalohany indrindra mba hahatsara ny drafitra izay apetrakao alohan’ny hidinanao “sur terrain”.
(7) Fanadinana isan’andro
Ity dia anisan’ny mila ivononan’ny mpiofana hanao “Doctorat” satria isaky ny hanao “terrain” na fivoriana dia mila mivonona hamaly sy haminavina izay fanontaniana rehetra mety hipetraka. Ny fanontaniana matetika mipetraka sy miverimberina dia hoe “Fa nahoana no manao an’io fikarohana io ianao?”; “Fa nahoana no toy io no fomba fanaovanao azy?”, na koa hoe “Inona no tanjona tratrarina amin’ilay fikarohana ataonao?”. Maro karazana araka izany ny fanontaniana sy ny karazan’olona manontany. Ny fiezahanao mamaly ireny fanontaniana ireny no mampahatsiahy anao ny tanjona ka miteraka fahazotoana ho anao hanohy ilay fikarohana hatrany. Ny fahaizana mamaly ireny fanontaniana ireny matetika no tena hitako manome lanja ny fikarohana atao, satria efa mampita fahalalàna sahady izany. Mety hanontany zavatra izay tsy ampoizinao hanampy anao handroso amin’ny fianaranao ihany koa ny olona izay sendra tafaresaka aminao. Tena marolafy ireo olona manontany, hatramin’ny ankizy, ny tanora, ny olondehibe izay mety ho fianakaviana, namana, olon-tsotra, na olona nandalo fianarana na tsia. Araka izany dia ilaina ny fahaizana mamaly ny fanontaniana mifanaraka amin’ny sehatra sy ambaratonga misy an’ireo olona miresaka aminao. Ny fikarohana atao dia maharitra ela ary ilaina fahazotoana hatrany araka izany ka ny famaliana ireny karazam-panontaniana ireny no isan’ny mampitoetra ny fahazotoana hanohy ny fikarohana sy mamerimberina ny lanjan’ny fikarohana izay atao.

Inona ny hafatra omenao ireo zandry ka maniry ny hanohy lavitra ny fianarana
Ny “Doctorat” amiko dia “une étude plus qu’une profession”.
Ahazahoana tombotsoa maro ny asa fikarohana sy ny fanohizana Doctorat. Ahafahana mampitombo fahalalàna sy fahendrena ary tena manampy anao hanana traikefa arak’asa sy hivoatra tsara. Mamporisika ny rehetra araka izany mba tsy hitsahatra hikaroka fahalalàna, ary tsy hanao izany ho ambanin-javatra mihitsy raha mbola manana fahafahana sy mbola misy manohana hahatontosa izany.

“Arovy ny fahendrena sy ny fahaiza-misaina” Ohabolana 3:21
Isaorana indrindra ny GSM nanome sehatra nahafahana nampita izay hafatra izay tamin’ny alalan’ity resadresaka ity. Mirary soa ho antsika rehetra.