Fanolorana ny Geological Society of Madagascar (GSM)
Ny Geological Society of Madagascar (ou GSM) dia fikambanana izay mampiray ireo olona eto Madagasikara (mpianatra, mpampianatra, eo anivon’ny sehatra akademika sy sehatry ny asa, ary ireo olon-tsotra) izay liana amin’ny « Géosciences » na Haibolatany. Nijoro ara-panjakàna ny 22 Jolay 2019 ny GSM rehefa nahatanteraka soa amantsara ny fivoriana lehibe voalohany ny Zoma 24 May 2019. Ny fikambanana dia voafehin’ny hintsivolana n° 60–133 tamin’ny 03 oktobra 1960 izay misahana ny momban’ny resaka fikambanana.
Ny GSM dia fikambanana tsy miankina amin’ny resaka politika ary tsy handraisam-bola ("apolitique", "non-profit organization"). Misahana manokana ny resaka ara-tsiantifika sy fampianarana izy ity, ary miezaka ny manome lanja ny fahalalàna siantifika mifandray amin’ny « Géosciences » na ny Haibolatany eto Madagasikara. Ny filamatry ny GSM dia “Izay mitambatra vato, izay misaraka fasika” izay manambara fa misokatra sy mivelatra amin’ny rehetra. Tsy manisy ary manafoana tanteraka ny fanavakavahana ny fikambanana. Ny fikambanana GSM dia nandray ho tanjona ny :
|
- Fanentanana sy fampirisihina ary famolavolana ny ankizy sy tanora Malagasy izay hoavin’ny firenena eo amin’ny sehatry ny haibolatany amin’ny alalan’ny fampiofanana, ny ‘mentoring’, ny fangatahana fanampiana ara-bola ahafahana mampisondrotra ny “Geosciences” ("demande de subventions"). Ireo dia mba hahafahan'ireo tanora Malagasy mifanampy amin'ny fiaraha-monina misy azy.
- Fahombiazana eo anivon’ny sehatra rehetra na eo amin’ny resaka fianarana izany na eo amin’ny sehatry ny arak’asa.
- Fitazomana hatrany ny maha-Malagasy sy fanajàna ny fomba amam-panao, ary fanehoana hatrany ny maha olom-pirenena vanona, marina ary hananan-toky ny tena ("éthiques et integrité") ho fitsinjovana sy fiarovana ny tontolo iainana eto amin’ny firenena Malagasy sy ny Planeta Tany amin'ny ankapobeny.
Ny fikambanana GSM dia mampiray ireo olona rehetra ara-batana na ara-tsaina liana amin’ny tanjona napetraky ny fikambanana sy ny izany ary manaja ny fepetra sy rafitra napetraka ho an’ny mpikambana manokana.
Ny fe-potoana fandraisana mpikambana vaovao dia ny volana Janoary ka hatramin'ny volana Martsa, ary misy fandraisana mpikambana vaovao foana isan-taona.
Ny antony nananganana ny fikambanana
Manana anjara toerana lehibe i Madagasikara eo amin'ny sehatry ny Haibolantany, na ara-tsiantifika na ara-toekarena. Mitahiry harena ara-boajanahary sy fahalalàna maro ny Haibolantany eto Madagasikara ka manome tombony ho an'ny fandalinana fahalalàna siantifika sy ho an’ny fanabeazana olom-pirenena vanona. Na eo aza anefa ireo loharano isan-karazany izay ananan'i Madagasikara dia mbola vitsy no mahalala fa sehatra maro no mifandray sy mifanampy amin’io taranja Haibolantany io, raha tsy hilaza fotsiny ny fomba fitahirizan’ny vato ny tantaram-pivoarana’ny planeta Tany sy ny zava-manan’aina eo aminy, izay mampieritreritra fa tena ilaina ary zava-dehibe ny fifehezana azy satria mahasoa ny fiaraha-monina sy ny mpiara-belona.
Ny tsy fahampian'ny fahalalàna momba ny maha-zava-dehibe ny fampiharana ny fahalalàna mifandray amin’ny taranja Haibolantany dia sakana iray ho an'ny fampandrosoana, ary sakana ho an’ny tanora ihany koa amin’ny fanapahan-kevitra hanohy ny fianarana ambony na hiasa amin'ny sehatry ny Haibolantany. Misy ny olona no manaonao foana indraindray, satria tsy manaraka dingana ara-tsiantifika sy arak’ambaratongam-pahefàna, hany ka indraindray lasa baranahiny ny fampiasàna sy ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany. Ny fahatsapàna ireo zava-misy ireo no antony iray nanosika ny fananganana ny fikambanana GSM, mba hampahafantarana bebe kokoa ny fiaraha-monina ny maha-zavadehibe sy ny antony ilaina ny fahalalàna momba ny taranja Haibolantany. Tsy ny fitrandrahana ihany, fa ny fitaizàna maha-olom-banona ihany koa, mba hampiasa am-pahendrena ireo akora natoraly voatahiry anatin’ny tany ka tsy ho simbasimba fahatany ny tontolo iainana fa ho voakajy ho an’ny taranaka maro mifandimby. Natsangana ihany koa ny fikambanana mba hanomezana aingam-panahy ireo zandry aty aoriana mba hifidy làlana ara-pianarana sy ho matihanina eo amin’ny sehatry ny Haibolantany.
Manan-karena i Madagasikara, fa mila tanora voavolavola sy vanona izy mba hahay hitantana sy hitandro ny harena an-kibon’ny tany satria tsy anana-droa ny tany sy ny zavatra rehetra eo aminy. Ilaina ihany koa izy ireo ho filamatra hampita amin’ny taranaka mifandimby ny maha-zavadehibe ny fiarovana ny tontolo misy eo aminy amin’ny fitrandrahana am-piheverana sy voalanjalanja ny harena misy.

Misy blog lavalava amin'ny teny Malagasy momba ny GSM niaraha-nanoratra tamin'ny Lemur Conservation Network, ary azonao tsidihina eto izany: https://bit.ly/2YtDBjF
Sary eo ankavanana: Solon-tenan'ny GSM, izay mpikambana ao amin'ny birao tonga nikaon-doha nandamina ny activités an'ny fikambanana ho an'ny taona 2019 sy 2020. Ankavia-miankavanana: Avotra (Vice-Président), Murielle (Trésorière), Cynthia (Secrétaire et Etudiante représentative), Voary (Présidente et Fondatrice), Mémé de Zorece (Etudiant représentatif), Crusoé (Etudiant représentatif). Raha te-hahafantatra kokoa momba ny birao ianao dia tsidiho ity pejy ity. |